Accueil | Créer un blog | Blog Beauté | Blog Séries 247

L'Affaire Roland Ratsiraka

Des dessous politiques

Who's Who

Roland Ratsiraka

From Wikipedia, the free encyclopedia

Iarovana Roland Ratsiraka (born August 15, 1966) is a Malagasy politician.
Born in Antananarivo, Roland is the nephew of former Président Didier Ratsiraka. He studied both in Madagascar and in France, before founding several
companies.
In 1996, Roland's uncle
appointed him Director of Propaganda for the Tamatave region. In 1998, he founded the regional political association Toamasina Tonga Saina, and was elected to the National Assembly of Madagascar as a Deputy for Toamasina. In 1999, he was elected as Mayor of the city, and although the post was suspended in 2002, he was re-elected in 2004.
Ratsiraka stood in the 2006 presidential election, held on December 3, and he placed third, with
approximately 10.1% of the votes cast, according to official results. In his home province of Toamasina, he won about 34% of the vote, two points less than the winner of the election, incumbent president Marc Ravalomanana. Along with second place candidate Jean Lahiniriko, Ratsiraka said that the results were false, and on December 11 he filed a challenge with the Constitutional High Court regarding the election.

http://en.wikipedia.org/wiki/Roland_Ratsiraka


Rechercher

Album

<< LA VERITE SUR L’EMPRISONNEMENT DE ROLAND RATSIRAKA ET SES COLLABORATEUR Vers Française | lNY MARINA MOMBAN’NY FAMPIDIRANA AM-PONJA AN’I ROLAND RATSIRAKA SY IREO MPIARA-MIASA AMINY | DE L'ETAT DE NON DROIT POUR BRISER LA CARRIERE POLITIQUE DU MAIRE DE LA CAPITAL BETSIMISARAKA >>

lNY MARINA MOMBAN’NY FAMPIDIRANA AM-PONJA AN’I ROLAND RATSIRAKA SY IREO MPIARA-MIASA AMINY | 14 juin 2007

BARAKA!
 

1-Nanaovana fiantsoana tolo-bidy (appel d'offres) ny fanalana ny fakon'ny tanànan'i Toamasina taona 2004 sy 2005. Ny Inspecteurs d'Etat eto Toamasina no anisan'ny mpikambana ao amin'ny “Commission Provinciale des marches” izay komisiona miandraikitra ny fanomezan'ny sampandraharaham-panjakana asa ho an'ny orinasa tsy miankina amin'ny fanjakana: adidin'ny mpikambana ao amin'io komisiona io ny mandinika, mandravina, manamarina sy manome hery ara-panjakana ny “cahiers des charges” izay mametra ny haben'ny fako, isan'ny toerana fanariam-pako hatramin'ny totalim-bola azo anefana ny fanalana izany fako izany. Nanamarina hatrany izay voasoratra ao amin'ny “cahiers des charges” 2004 sy 2005 ny Inspecteurs d'Etat eto Toamasina tao anivon'ny Commission Provinciale des Marchés Toamasina.

 2-Hatramin'ny naha voafidy azy ho Ben'ny Tanàna, i Roland RATSIRAKA dia tsy mbola nandray anjara tamin'io komisiona io na indray mandeha aza. Zany hoe tsy tompon'andraikitra mihitsy izy tamin'ny fanomezana ny asa fanariam-pako tamin'ny orin'asa izatsy na iroa.
 3-Ireo « Inspecteur d'Etat » nanao ny fiampangana dia nanadino fa ny tenan'izy ireo ihany no nanamarina ny rehetra rehetra mikasika ny fanomezana asa fanariam-pako taona 2004 sy 2005 satria noheveriny fa fifanekena mivantana tamin'ny orin'asa mpanary fako no nataon'ny Roland RATSIRAKA. Zany hoe noheverin'ireo Inspecteurs d'Etat eto Toamasina fa nanao antso ho an'ny tolo bidy « appel d'offres » i Roland RATSIRAKA tahaka ny fanaon'ny Lehiben'ny Faritra eto Toamasina. (Izany no antony nisafidianany ny fanariam-pako taona 2004 sy 2005 ho votoatin'ny raharaha). Raha ny marina izany sady mpitsara no tafiditra anisan'ny olona tsaraina ny “Inspecteurs d'Etat”. Raha toa ka misy marina ny tsy ara-dalàna dia izy ireo no tompon'andraikitra amin'izany satria izy ireo ihany no tsy nandravina ny “cahiers de charges”.
 4-Fitsirihina (inspection) mi-isa 8 no nisesy nefa tsy nahita zavatra tsy ara-dalàna mikasika ny fanomezana ny asa fanariampako taona 2004 sy 2005 sy ny fanefana azy. Ny fitsirihana farany (tao amin'ny trésor” dia natao tamin'ny desambra 2006).
 5-Ny fanefana ny factiora ny kominina an-drenivohitra dia mandalo amin'ny “Trésorier Principal” fa tsy tahaka ny Faritra na kominina ambanivohitra. Tsy misy fanefana faktiora azo atao raha tsy eken'ny “Trésorier Principal”.
 6-Mampieritreritra fatratra ny fomba fiasa sy ny fahamendrehan'ny Tale Jeneraly ny Inspection Générale de l'Etat ho an'ny rehetra izay namaky ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny La Gazette de la Grande Île tamin'ny 23.05.07 na nahita tao amin'ny site web: http// www.madagasikara-soa.com ka tsy mahagaga raha mametra fitoriana miampanga azy ho namorona antontan-taratasy feno lainga sy fanendrikendrehana ampiasaina amin'ny fanenjehana amin'ny Fitsarana I Roland RATSIRAKA
 7-Ny fampidirana vonjy maika ao am-ponja i Roland RATSIRAKA sy ireo mpiara-miasa aminy dia zava-mahamenatra isaloran'ny Politika sy ny Fitsarana mitambatra satria tsy misy votoatiny mitombona ny fitoriana: tsy hita ny heloka izay nataon'izy ireo. Porofon'izany ny namotsorana vonjy maika ny tompon'andraikitra roa ny orin'asa nahazo ny asa fanariam-pako izay nolazaina fa nandray ny vola voahodina sy ny mpiasa ao amin'ny Trésor noheverina fa namoaka io vola io.
 8-Tsy vitan'izany fa ny Fitsarana dia miaiky fa tsy voalaza ny hoe ohatrinona ity vola nolazaina ho voahodikodina ity ary, ka mandray izany ho anton'ny tsy nanomezana fahafahana vonjy maika an'I Roland RATSIRAKA. Zavatra tsy azo nisaintsainina mihintsy izany, mampi-tsy te- hino, fahafaham-baraka tsy hay lazaina ho an'ny Fanjakana tan-dalàna eto Madagasikara
 9-Voahosihosy ny Zon'Olombelona. Moa ve anisan'ny fomba fampandrosoana ny tanintsika ny fampidirana am-ponja ny olona tsy mana-tsiny? Mba misy ve ny fiheverana ny fianakavian'ireo olona ireo sy izay rehetra fiantrekan'ny fepetra toy izany? (Ny fomba fiainana  ao am-ponja: ny tsy fisian'ny fahadiovana, ny amaroan'isan'ny voafonja izay tsy zakan'ny haben'ny trano izay efa tena tranaina  dia tranaina...)
 10-Voahosihosy ny Demokrasia. Efa tsy misy tsy mahafantatra: Politika  ity raharaha ity. Ben'ny Tanàna voafidim-bahoaka indroa misesy io nefa atao hatrany izay tsy ahataperany araky ny tokony ho izy ny fe- potoana hiasany satria tsy an- kiato ny fanenjehana azy nanomboka tamin'ny taona 2002.
Ny tena marina mikasika ny anton'ny nampidirana am-ponja I Roland RATSIRAKA dia ny sahalan'isa azony tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena tamin'ny 03 Décembre 2006 sy ny fandresena izay ahihina mety ho azony amin'ny fifidianana ho avy.
  NY MARINA

Publié par veriteRR à 13:36:04 dans L'Affaire Roland Ratsiraka | Commentaires (2) |

23-03-2009  14:52  23-03-2009 14:52
Akory aby  De  Andrianina  Sujet:  Akory aby
Bonjour, Ny tiako lazaina dia ataovy araka izay haingana ny "reconciliation nationale" fa raha ifamaly faty eto isika dia tsy tafavoaka fa itebiteby foana eto satria ny malagasy mandala ny fihavanana ary mahaiza mifandefitra sy tsy manana ambo-po diso tafahoatra fa halan'ny vahoaka ianao eo am-pitondrana firenena na andraikitra iray dia mitebiteby lava foana isan'andro dia miarahaba ny avy any lavitra koa tongasoa fa iray ihany ny Malagasy ka ho samy ho ela velona avokoa e sy salama jiaby Ny hamaranako ny teniko dia raha valifaty no ao an-dohanao na iza na iza dia tsy vahaolana ho an'ny fiainanao izany fa ny ampitso tsy misy mahafantatra .Izahay izao manana projet handeha hanao vacançes any tamatave amin'ny grande vacançes dia amboary tsara ny tanàna Mr roland ratsiraka fa lany President de la Republique ianao raha dien'izao manao image milay ok Bisous daholo e
07-07-2007  15:52  07-07-2007 15:52
Alahelo  De  RZAFIMAHEFA ALEXANDRIN  Sujet:  Alahelo
Salama jiaby aloha isika izay mpankafy an'ity site web ity . Faly dia faly izaho raha vantany vao nahita an'ity adresse ity . Izahay moa olona avy aty à Majunga ary mahafantatra tsara ny raharaha politika misy eto à M/car , marina daholo ny zavatra voalaza eo ambony eo fa tena resaka politika mihitsy no nahatonga an'izao fanagadrana izao , ny tena mahagaga anie dia izao . Ny olona rehetra izay hita fa anana ny ho aviny ara - politika dia atao izay hevitra ny anagadrana an'ireny olona ireny indrindra fa ireo izay anindran - tany ( cotier ) io . Izao aloha tsy mbola ary nahita fitondrana karaha ity é ! sambako nahita , nefa izao mba antso avo atao hoe : misy farany raha jiaby aoka izy anao izay ataony fa misy ny ohabolana manao hoe : ny tody tsy misy fa ny atao ihany no miverina , mpamosavy milevina amoron - dàlana ka mahatantesa valin - kitsaka , koa dia manao veloma etoana . Ilain .

Ajouter un commentaire

Nom :
Email :
Url :
Sujet :
Texte :
Code :
si vous n'arrivez pas à voir le code Cliquez ici

Compteur

Depuis le 14-06-2007 :
42165 visiteurs
Depuis le début du mois :
1351 visiteurs
Billets :
53 billets

Juin

DiLuMaMeJeVeSa
     12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930

Malagasy Tonga Saina

  • RSS
  • RSS
  • Podcast
  • atom 03